Orinasa tsy miankina amin’ny fanajakana manome lanja ny fampiasana ny angovo azo avaozina ho an’ireo fianakaviana Malagasy ny Clean Cooking Madagascar.
Manohana ny programa « Madagascar Ethanol Stove Program » ny Clean Cooking Madagascar ary anjara asany ny mijery raha tena manaraka ireo fitsipika mifehy io programa io avokoa ireo orinasa mpiara miasa aminy. Tanjon’ity programa « Madagascar Ethanol Stove Program » ity moa ny hivarotra fatana ethanol miisa 35.000 hatramin’ny taona 2023, ho an’ireo fianakaviana Malagasy.
Marihina fa jifaina amin’ny vidiny mora ireo fatana ethanol ireo sady ahafahan’ireo fianakaviana Malagasy manana “FIAINANA TSARA KOKOA”. Hitondra fivoarana ara-ekonomika ho an’ny Madagasikara iray manontolo ihany koa ity programa ity.